Boky voalohan'ny Tantara 23:10
Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Deuteronomy 18:10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
1 Kings 11:7Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
2 Kings 17:17Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
2 Chronicles 28:3Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin’ ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
Nehemiah 11:30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy.
Jeremiah 7:31Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.