Boky voalohan'ny Tantara 23:20
Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin’ ny alitara, sady nandoro taolan’ olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Exodus 22:20Ary aza manao izay sarotra amin’ ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
1 Kings 13:2Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
2 Kings 10:25Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin’ ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midìra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ ny tanàna nisy ny tranon’ i Bala.
2 Chronicles 34:5Ary nandoro ny taolan’ ny mpisorona teo ambonin’ ny alitarany izy, ka dia nanadio an’ i Joda sy Jerosalema.
Zechariah 13:2Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.