Boky voalohan'ny Tantara 23:29
Tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia no niakaran’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, hankany amoron’ ny ony Eofrata hiady amin’ ny mpanjakan’ i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin’ i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Joshua 17:11Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’ Isakara sy teo amin’ i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ ny havoana telo ireo.
Judges 5:19Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
2 Kings 9:27Ary nony hitan’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izany, dia nandositra tamin’ ny lalana mankamin’ ny trano ao anatin’ ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin’ ny kalesiny teo amin’ ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’ i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
2 Kings 14:11Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
2 Kings 23:33Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
2 Chronicles 35:20Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’ i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan’ i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron’ i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.