Bokin'i Josoa 17:11
Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’ Isakara sy teo amin’ i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ ny havoana telo ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 12:21ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray;
Joshua 16:9mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.
Judges 5:19Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
1 Samuel 31:10Dia napetrany tao amin’ ny tranon’ i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana.
1 Kings 4:11Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);
1 Kings 9:15Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera