bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 23 › Boky voalohan'ny Tantara 23:35
Boky voalohan'ny Tantara 23:35
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’ i Joiakima an’ i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin’ i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an’ i Farao-neko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Jehoiakim gave the silver and the gold to Pharaoh; but he taxed the land to give the money according to the commandment of Pharaoh: he exacted the silver and the gold of the people of the land, of every one according to his taxation, to give it unto Pharaoh-nechoh.
In Context
34Ary Farao-neko nanendry an’ i Eliakima, zanak’ i Josia, ho mpanjaka hisolo an’ i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
36Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin’ ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin’ i Pedaia, avy any Romaha.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
2 Kings 15:20Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany.
This Verse In Other Editions
Study Boky voalohan'ny Tantara 23:35