The Bible Software
bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 23 › Boky voalohan'ny Tantara 23:5

Boky voalohan'ny Tantara 23:5

Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he put down the idolatrous priests, whom the kings of Judah had ordained to burn incense in the high places in the cities of Judah, and in the places round about Jerusalem; them also that burned incense unto Baal, to the sun, and to the moon, and to the planets, and to all the host of heaven.

In Context

4Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.

6Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.

Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23

Cross References

Job 38:32Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?

Jeremiah 44:17Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.

Zephaniah 1:4Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ ity tany ity ny sisa amin’ i Bala, Sy ny anaran’ ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy mbamin’ ny tena mpisorona,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky voalohan'ny Tantara 23:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky voalohan'ny Tantara 23:4Boky voalohan'ny Tantara 23Boky voalohan'ny Tantara 23:6 →