Boky voalohan'ny Tantara 23:6
Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Deuteronomy 7:25Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
Judges 3:7Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
1 Kings 15:13Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
2 Kings 10:26Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon’ i Bala izy ka nandoro ireny.
2 Kings 21:7Ary ny sarin’ i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin’ ny trano nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
2 Chronicles 15:16Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.