Boky voalohan'ny Tantara 23:8
Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan’ ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin’ ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ ny vavahadin’ i Josoa, komandin’ ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin’ ny vavahadin’ ny tanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Genesis 21:31Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
Joshua 18:24sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
Judges 20:1Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.
1 Kings 19:3Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
Isaiah 10:29Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean’ i Saoly;
Zechariah 14:10Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.