Boky voalohan'ny Tantara 24:3
Dia araka ny tenin’ i Jehovah ihany no nahatongavan’ izany tamin’ ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’ i Manase tahaka izay rehetra nataony
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 24
Cross References
Genesis 50:20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Leviticus 26:33Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Deuteronomy 28:63Ary araka izay nifalian’ i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian’ i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany, izay efa hidiranao holovana.
Joshua 23:15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
2 Kings 17:20Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
2 Kings 18:25Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.