Bokin'i Josoa 23:15
Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Judges 3:8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
Judges 4:1Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
Judges 10:6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
1 Kings 14:15Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
Jeremiah 32:42Fa izao no lazain’ i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.