Boky voalohan'ny Tantara 25:27
Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 25
Cross References
Genesis 40:20Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
2 Kings 24:15Ary nitondra an’ i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin’ ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.
Jeremiah 22:26Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
Jeremiah 52:31Ary tamin’ ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.