Boky voalohan'ny Tantara 25:29
Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 25
Cross References
Genesis 41:42Dia nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tànan’ i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
1 Kings 2:7Fa ny zanak’ i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan’ izay mihinana eo amin’ ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ ireo tany amiko, fony nandositra an’ i Absaloma rahalahinao aho.
Esther 4:4Ary niditra ny ankizivavin’ i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin’ ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin’ i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
Isaiah 61:3Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
Zechariah 3:4Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’ izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.