Boky voalohan'ny Tantara 3:7
Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan’ i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr’ i Edoma.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 3
Cross References
1 Kings 22:4Ary hoy koa izy tamin’ i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an’ i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
2 Chronicles 18:3Ary hoy Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
2 Chronicles 19:2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’ i Hanany mpahita, ka nanao tamin’ i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’ i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
2 Chronicles 22:3Nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.