Boky voalohan'ny Tantara 6:16
Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he answered, Fear not: for they that be with us are more than they that be with them.
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 6
Cross References
Exodus 14:13Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
2 Chronicles 16:9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
Psalms 3:6Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]
Psalms 27:3Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
Psalms 46:11Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.
Psalms 118:11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.