Boky voalohan'ny Tantara 6:21
Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 6
Cross References
1 Samuel 24:4Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
1 Samuel 26:8Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
2 Kings 5:13Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain’ ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
2 Kings 13:14Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
Luke 22:49Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay?