Boky faharoan'i Samoela 26:8
Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 26
Cross References
Joshua 21:44Dia nomen’ i Jehovah fitsaharana amin’ ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin’ ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr’ i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.
1 Samuel 23:14Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ ny tany havoana tany an-efitr’ i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’ andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
1 Samuel 24:5Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.
1 Samuel 26:23Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
Psalms 31:8Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,
Nahum 1:9Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.