Boky voalohan'ny Tantara 6:23
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ ny tanin’ ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’ i Syria.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 6
Cross References
1 Samuel 24:17Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
2 Kings 6:8Ary ny mpanjakan’ i Syria niady tamin’ ny Isiraely ka nilaza tamin’ ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
2 Chronicles 28:15ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin’ ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin’ ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
Proverbs 25:21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
Luke 6:35Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin’ inona na amin’ inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’ izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.