Boky voalohan'ny Tantara 6:32
Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’ i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ ny tongotry ny tompony?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 6
Cross References
1 Kings 14:6Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
1 Kings 18:13Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
1 Kings 21:13Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ ny olona nivoaka teny ivelan’ ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
2 Kings 5:26Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
Jeremiah 11:18Ary nampahafantarin’ i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin’ izany dia nasehonao ahy ny fanaony.
Ezekiel 14:1Dia nisy loholon’ ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.