Boky voalohan'ny Tantara 16:3
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
Leviticus 20:2Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
Deuteronomy 18:10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
1 Kings 14:24Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely izy.
1 Kings 21:25Fa tsy nisy tahaka an’ i Ahaba, izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, satria nampirisihin’ i Jezebela vadiny izy.
2 Kings 8:18Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
2 Kings 17:16Ary nahafoy ny didin’ i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ary nanompo an’ i Bala.