Boky voalohan'ny Tantara 9:20
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran’ i Jeho, zanak’ i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 9
Cross References
2 Samuel 18:27Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak’ i Ahimaza, zanak’ i Zadoka, no fihazakazak’ iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
2 Kings 9:2ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak’ i Josafata, zanak’ i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin’ ny namany, ary ento any amin’ ny efi-trano anatiny izy;
Ecclesiastes 9:10Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
Daniel 11:44Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
Habakkuk 3:12Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.