Boky voalohan'ny Tantara 9:24
Ary nohenjanin’ i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an’ i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan’ ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin’ ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin’ ny kalesiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin’ i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 9
Cross References
1 Kings 19:17Ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Hazaela dia hovonoin’ i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Jeho kosa dia hovonoin’ i Elisa.
1 Kings 22:34Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelanelan’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny ady aho, fa voa.
2 Kings 10:4Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
Job 20:23Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
Proverbs 21:30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
1 Thessalonians 5:3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.