Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3:2
mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ ny mpaminany masìna rahateo sy ny didin’ ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 3
Cross References
Luke 24:27Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra.
Acts 3:18Fa izany no nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ ny Kristiny.
Acts 3:24Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’ i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
Acts 28:23Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’ Andriamanitra hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva, ary ny teny eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’ i Jesosy.
1 Peter 1:10Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
2 Peter 2:21Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ ny fahamarinana toy izay hiala amin’ ny didy masìna natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.