Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2:21
Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ ny fahamarinana toy izay hiala amin’ ny didy masìna natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Petera 2
Cross References
Psalms 125:5Fa izay mivily ho amin’ ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’ i Jehovah miaraka amin’ ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
Proverbs 16:31Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy.
Ezekiel 18:24Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
Zephaniah 1:6Ary izay nihemotra niala tamin’ i Jehovah, Sy izay tsy nitady an’ i Jehovah na nanontany taminy.
Matthew 21:32Fa Jaona nankany aminareo tamin’ ny lalan’ ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
John 9:41Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.