Boky voalohan'ny Mpanjaka 2:13
Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, sy ny mpanompon’ i Davida nivoaka ka nihaona tamin’ ireo teo amoron’ ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin’ ny lafin’ ny kamory avy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 2
Cross References
2 Samuel 2:18Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
2 Samuel 20:23Ary Joaba no komandin’ ny miaramila rehetra tamin’ ny Isiraely; ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
1 Kings 1:7Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
1 Chronicles 2:16Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
1 Chronicles 27:7Ny fahefatra, ho amin’ ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.