Boky voalohan'ny Mpanjaka 20:19
Izaho dia isan’ ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin’ ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan’ i Jehovah?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 20
Cross References
Genesis 18:23Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ ny meloka va ny marina?
Numbers 16:32eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
Deuteronomy 32:9Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
1 Samuel 10:1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
2 Samuel 17:16Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin’ i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.
1 Kings 8:53Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an’ i Mosesy mpanomponao tamin’ ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.