2 Samuel 21:3
ary hoy Davida tamin’ ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’ inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’ i Jehovah?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 32:30Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin’ i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ ny fahotanareo.
1 Samuel 2:25Raha misy olona manota amin’ olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin’ i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak’ i Jehovah ny hahafaty azy.
2 Samuel 20:19Izaho dia isan’ ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin’ ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan’ i Jehovah?
Micah 6:6Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
Hebrews 10:4Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.