Boky voalohan'ny Mpanjaka 22:23
Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For all his judgments were before me: and as for his statutes, I did not depart from them.
In Context
22Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
24Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Deuteronomy 6:1Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana,
Deuteronomy 7:12Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;
Deuteronomy 17:20mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.
Psalms 119:6Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
Psalms 119:30Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
Psalms 119:102Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.