Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 1:12
mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 1
Cross References
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Isaiah 45:25Ao amin’ i Jehovah no hanamarinana ny taranak’ Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
John 17:10Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
Romans 1:7ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2 Corinthians 8:9Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
Philippians 2:9Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,