Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2:12
mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That they all might be damned who believed not the truth, but had pleasure in unrighteousness.
In Context
11Koa izany no ampanateran’ Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Psalms 50:16Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
Hosea 7:3Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka.
Mark 14:11Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
John 3:19Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
Romans 1:32dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.