Epistily faharoa ho an'i Timoty 2:21
Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 2
Cross References
Psalms 119:9Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
Isaiah 52:11Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.
Malachi 3:3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
1 Corinthians 5:7Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
Ephesians 2:10Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
2 Timothy 3:17mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.