Asan'ny Apostoly 10:31
ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiantranao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And said, Cornelius, thy prayer is heard, and thine alms are had in remembrance in the sight of God.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Leviticus 2:9Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
Isaiah 38:5Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,
Daniel 10:12Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’ Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
Acts 10:4Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra.
Hebrews 6:10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.
Revelation 8:3Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.