Apokalypsin'i Jaona 8:3
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 8
Cross References
Genesis 48:15Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
Exodus 30:1Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
Exodus 40:26Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;
2 Chronicles 26:16Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Amos 9:1Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin’ ny lohan’ izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.