Acts 18:8
Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 17:27ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’ izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
Joshua 24:15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
Mark 5:22Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
Mark 16:15Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.
Acts 8:12Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
Acts 10:2ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva.