Asan'ny Apostoly 19:8
Ary Paoly niditra tao amin’ ny synagoga ka niteny tamin’ ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary tokony ho roa ambin’ ny folo lahy no isan’ izy rehetra.
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Acts 9:20Ary niaraka tamin’ izay dia nitory teo amin’ ny synagoga izy ka nilaza an’ i Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra.
Acts 13:46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay;
Acts 17:1Ary rehefa nandeha namaky an’ i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan’ ny Jiosy tao.
Acts 18:4Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin’ ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
Acts 19:9Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona maro, dia niala tamin’ ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’ andro tao amin’ ny trano fampianaran’ i Tyrano.
Acts 28:23Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’ Andriamanitra hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva, ary ny teny eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’ i Jesosy.