Asan'ny Apostoly 2:1
Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when the day of Pentecost was fully come, they were all with one accord in one place.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 2
Cross References
Exodus 23:16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
Leviticus 23:15Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
Deuteronomy 16:9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
2 Chronicles 30:12Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
Jeremiah 32:39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
Acts 1:13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.