Asan'ny Apostoly 2:23
Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 2
Cross References
Genesis 50:20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Isaiah 10:6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Matthew 26:24Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Luke 22:22Fa ny Zanak’ olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’ izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
Luke 24:20dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.