Asan'ny Apostoly 2:38
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 2
Cross References
Isaiah 44:3Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ ny terakao;
Ezekiel 36:25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Matthew 3:2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 4:17Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 28:19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna