Asan'ny Apostoly 21:20
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an’ Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin’ i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 98:1Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena.
Isaiah 66:9Izaho moa hahatonga ho eo amin’ ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
Luke 12:1Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
Luke 15:32Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
Acts 2:41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.