Asan'ny Apostoly 21:3
Ary nony nahatsinjo an’ i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin’ ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan’ ny sambo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
2 Samuel 8:6Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
Psalms 87:4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
Isaiah 23:17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’ i Tyro, ka dia hiverina amin’ ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
Matthew 11:21Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
Luke 10:13Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ ny lavenona.
Acts 11:19Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.