Acts 22:5
ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin’ ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Acts 4:5Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
Acts 9:1Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy
Acts 13:26Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao.
Acts 26:10sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masìna no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
Acts 28:21Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
1 Timothy 4:14Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ ny loholona.