Asan'ny Apostoly 23:1
Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an’ Andriamanitra tamin’ ny fieritreretana tsara mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
Read all of Asan'ny Apostoly 23
Cross References
Proverbs 28:1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Acts 22:1Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
Acts 22:30Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan’ ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
Acts 24:16Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
2 Corinthians 1:12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
2 Timothy 1:3Misaotra an’ Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ ny razako amin’ ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ ny fivavahako andro aman’ alina;