Asan'ny Apostoly 27:33
Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin’ ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin’ ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Dia notapahin’ ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ ny salopy, ka navelany ho latsaka.
Read all of Asan'ny Apostoly 27
Cross References
Esther 4:16Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Acts 9:19ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ ny mpianatra tany Damaskosy.