Asan'ny Apostoly 3:25
Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razanareo, raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
Genesis 12:3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Genesis 17:19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy.
Genesis 20:7Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.
Genesis 26:4dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany;
Genesis 28:14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Genesis 49:1Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.