Bokin'ny Genesisy 28:14
ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 28
Cross References
Genesis 12:3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Genesis 13:16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Genesis 22:18ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
Genesis 32:12O vonjeo aho amin’ ny tanan’ ny rahalahiko, dia amin’ ny tànan’ i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ ny vadiko aman-janako izy.
Exodus 32:13Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Deuteronomy 12:20Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.