Asan'ny Apostoly 3:6
Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
Matthew 10:9Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ ny fehin-kibonareo,
Mark 16:17Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
Acts 2:22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
Acts 3:16Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
Acts 4:10dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
Acts 10:38Izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masìna sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.