Asan'ny Apostoly 4:32
Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 4
Cross References
2 Chronicles 30:12Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
Ezekiel 11:19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
John 17:11Ary tsy ho eto amin’ izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masìna ô, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
Acts 1:14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
Acts 2:44Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
Romans 12:5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.