Asan'ny Apostoly 5:12
Ary ny tanan’ ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
13ary tsy nisy tamin’ ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
Read all of Asan'ny Apostoly 5
Cross References
Mark 16:17Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
John 10:23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona.
Acts 2:42Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
Acts 3:6Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
Acts 4:30omban’ ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ ny anaran’ i Jesosy, Mpanomponao Masìna.
Acts 9:33Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin’ ny paralysisa.