Asan'ny Apostoly 5:21
Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ isiraely izy ka naniraka nankao amin’ ny tranomaizina haka ny Apostoly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 5
Cross References
Psalms 105:22Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
Luke 21:37Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
John 8:2Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.
Acts 4:5Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
Acts 5:24Ary ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’ izay ho faran’ izany.
Acts 5:34Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.