Filazantsara araka an'i Jaona 8:2
Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
Ecclesiastes 9:10Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
Jeremiah 44:4Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.
Matthew 26:55Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Luke 5:3Ary niditra teo amin’ ny sambokely anankiray izay an’ i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
John 4:34Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.