Asan'ny Apostoly 5:36
Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 5
Cross References
Matthew 24:26Ary amin’ izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino.
Acts 21:38Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
Galatians 6:3Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
2 Peter 2:2Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ ny fahamarinana.
Jude 1:16Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
Revelation 17:5ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN’ NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN’ NY TANY.